<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>84</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 (Maintimolaly)

[V2]
 He ! be ny hasoavana,
 Fa tonga ny fotoana,
 Ka Kristy Tompo teraka
 Hamonjy sy hanavotra.

[V3]
 Ny fahotan'ny olona
 Dia lova tamin-drazana :
 Isika trany avokoa,
 Ka very re ny aina soa.

[V4]
 Inty ny zaza masina e,
 Izay neken'ny Rainy hoe :
 &quot;Ny Zanako Malalako,
 'Zay mamiko sy sitrakao&quot;

[V5]
 Ny dera eran-danitra
 Omeo an'Andriamanitra
 'Zay nahafoy ny Zanany
 Hanavotra ny olony.</lyrics>
<title>He ! Be ny hasoavana FFPM84</title>
<author>J. Hatton</author>
</song>